FAMPAHAFANTARANA ILAY MPANDRAY ANJARA
Fiadanana ho amintsika havana, namana sy tapaka.
Ampifaliana lehibe no izarànay aminareo, fa hisy hetsika « Mangataka rano Tour » amin’ny volana septambra 2025 ho avy izao, iarahana amin’i Rija RASOLONDRAIBE sy ny ekipa eto Frantsa.
Ireto tanàna telo ireto no hotsidihinay mandritra io vanim-potoana io araka izao programa izao :
- STUTTGART : Asabotsy 13 septambra 2025
- MARSEILLE : Asabotsy 20 septembre 2025
- PARIS : Asabotsy 27 septambre 2025
Fanirianay indray ny hiaraka aminareo mandritra ireo fotoana ireo.
Hanatrika sy hidera an’Andriamanitra indray isika. Koa fandriho dieny izao ny toeranao.